Actualités

Miss Vacances Valo mirahavavy hiatrika ny famaranana


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Tontosa ny sabotsy alina teo tao amin’ny Ibiza Club Ampasimazava, ny manasa-dalan’ny fifanintsanana teo amin’ireo tovovavy hiady ny ho tompon’ny hatsaran-tarehin’ny Miss Vacances, izay eo amin’ny andiany faha-17 amin’ity taona 2011 ity.

 Nisy 12 mirahavavy izy ireo no niatrika io manasa-dalana io, ka ny 08 tamin’ireo no hiatrika ny famaranana hatao ny 27 aogositra izao ao amin’ny Bateau Ivre indray.

“Sambany no nisian’ny manasa-dalana tahaka izao ny Miss Vacances tao anatin’ny 17 taona nisiany. Natao izany mba hahafahana mifantina tsara ireo tena hibata ny famaranana sy ny amboaran’ny Miss Vacances andiany faha-17”, hoy Rtoa Alice Thion, mpikarakara. Atoa Raleva izay mpanampy azy sady “coach” ireto tovovavy ireto dia nilaza fa “tsy hatsaran-tarehy ihany no jerena tamin’ity andiany faha-17 ity, fa ny fiarahamonin’ny samy mpifaninana, sy ny fahaizan’izy ireo miaina eo anivon’ny fiaraha-monina ihany koa”. Efa betsaka mantsy ireo manana ny toerany navoakan’ity Miss Vacances ity tao anatin’ny 17 taona nisiany izay. Ny tsikaritra dia nivoatra ny mpandray anjara ary mihevitra ity fifaninanana ity hanomanana ny hoavy, tahaka ireo namany nahita tombontsoa tao anatin’ity Miss Vacances ity.

 

Rakoutou

 

Sary : Izy valo vavy hiatrika ny famaranana Miss Vacances 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT