Actualités

Misavorovoro ao Antsirabe Mpanao gazety roa LP, Sefo Fokontany iray MD


  • Alarobia 20 Febroary 2013

An-dranomaso no nisarahan’ny Fokonolona sy ny lehiben’ny Fokontany Ampatana Antsirabe ny harivan’ny talata 19 Febroary (omaly) tao amin’ny lapan’ny fitsarana Antsirabe noho ny raharaha Ranovisy.

 Ankoatra azy moa dia nisy ihany koa vehivavy iray notanana am-ponja vonjimaika noho ity raharaha ity ihany. Niakatra fampanoavana mantsy ny raharaha Ranovisy Antsirabe omaly. Olona miisa 13 no notorian’ilay mpitantana teo aloha ka ny 7 ihany no nohenoina tao amin’ny fampanoavana tamin’io fotoana io. Anisan’ny notoriany tamin’izany ny filohan’ny Mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe ambonivohitra, Atoa Dadamanana, ny lehiben’ny boriborintany Ampatana ary ny sefom-pokotany. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa mpanao gazety roalahy ary mponina hafa tao an-toerana.

Nisy torana

Raha tsiahivina dia nisy ny savorovoro tao Andranovisy Antsirabe ny alatsinainy 05 novambra 2012 vokatry ny fiakaran’ny vidin’ny ranovisy nataon’ny mpitantana ka niantso ny lahiben’ny Distrika ny Sefo Fokontany nandamina ireo mponina tamin’izany fotoana. Nilamina ihany aloha ny resaka satria nanome baiko tamin’izany fotoana ity solontenam-panjakana mba hampidina ny vidiny raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny Fokontany tamin’io fotoana io. Tsy izay anefa no zava-nitranga fa notanan’ireo mpitantana ho 300 Ariary ihany ny litatra ka dia raikitra ny sakoroka ny harivan’ny alakamisy 24 novambra 2012 ihany. Noravan’ny olona ny fefy manakana ny fidirana tao ka dia naka ranovisy izy ireo. Nisy ny fikaroham-baovao tamin’izany ka nolazain’ny filohan’ny Mpanolotsaina fa efa tapitra ny 15 jona 2012 ny fifanaraham-pitantanana teo amin’io mpitantana io ka tsy mbola nisy taratasy milaza ny fitohizany tao amin’ny Kaominina ka mahagaga azy ireo ny fahasahian’ireto mpitantana nanondrotra ny vidiny ho 300 Ariary.

Taorian’ny fanimban’ny fokonolona ireo fefy moa dia nametraka fitoriana ilay mpitantana (teo aloha) ka isan’ny fanenjehana nataony tamin’ireo olona notoriany ny fitarihana fanakorontanana sy fanimbana fananan’olona, fitaomana olona hikomy. Ho an’ny filohan’ny Mpanolotsain’ny tanàna aza fanakarama olona hanao io fanimban-javatra io no iampangana azy. Ilay sefom-pokontany indray dia tsy fandraisan’andraikitra sy fampirisihina ny olona hamotika fefy no iampangana azy ka nahatonga azy hotazonina am-ponja vonjy maika miaraka amin’ny vehivavy iray izay mponina ao amin’ny Fokontany Ampatana.

Ity farany izay ampangaina ho nitarika ireo mpanimba zavatra. Fikononkononana ity fihetseham-bahoaka ity ary nandray anjara mivantana tamin’ny hetsika niaraka tamin’ireo vahoaka ireo indray kosa no anenjehan’ny mpitory ireo mpanao gazety roalahy avy ao Antsirabe. Nahazo fahafahana vonjy maika moa ireo mpanao gazety roalahy niampy olona dimy hafa ankoatra ireo olona hafa izay tsy nohenoina akory. Amin’ny talata 12 martsa 2013 no voatondro fa hiakatra fitsarana ity raharaha ity. Nisy torana mihitsy moa ireo mponina niatrika ity raharaha ity noho ny faharenesana fa notanana am-ponja ny filohan’ny Fokontany izay efa 20 taona nitantanana ity Fokontany Ampatana ity. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fiaraha-miasan’ny tanànan’Antsirabe sy ny Kaominina Stavenger any Norvezy izay mifamatotra ao anatin’ny tetikasa MIC (Municipality International Cooperation) izay miompana amin’ny fanofanana tanora eo amin’ny lafiny ara-politika sy fitantanana ankapobeny ity raharaha ity. Ao Antsirabe rahateo ny ry zareo norveziana no mitranga ity raharaha ity. Anio no hamantarana ny tohiny, na efa nisy vinavina hanalava 10 taona ny fiaraha-miasa aza ny tanàna roa tonta.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT