Actualités

Misaona ny tontolo politika Nodimandry i Daniel Ramaromisa


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Misaona ny tontolo politika Malagasy satria dia nodimandry omaly teo amin’ny faha 92 taonany ny mpanao politika, Daniel Jean Ramaromisa, fantatry ny maro tamin’ny hoe Daniel Ramaromisa.

Azo lazaina ho isan’ireo mpanao politika nandalo ny ambaratonga ambany indrindra teo amin’ny fitantanana fiarahamonina, izany hoe filoham-pokontany teny Ampefiloha ny tenany, ny fiandohan’ny taona 1980, no lasa minisitra avy eo ny taona 1992. Nandry fahalemana Ampefiloha tamin’ny fotoana naha filoham-pokontany azy, hoy ny vavolombelon’ny tantara tamin’ny fotoan’andro. Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro moa izy tao anatin’io fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka io. Ahatsiarovan’ny mpanara-baovao azy tamin’izany kosa ilay fehezanteniny tamin’ny teny frantsay hoe “Vous êtes tous formidables” nandritry ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavim-pirenena ny taona 1992 raha niantso vohin-kava mahatratra na “telethon” voalohany momba ny Kere tany atsimo, izay raha ny fanazavan’ny tamin’izany fotoana dia hoe tsy naharihary raha tsy ny fiandohan’ny taona 1990. Mpanamory fiaramanidina ihany koa i Daniel Ramaromisa . Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ireo akaiky ity oloben’ny politika Malagasy ity rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT