Actualités

Misaona ny hira ara-pilazantsara Nodimandry i Ndriana Ramamonjy


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nodimandry omaly hariva ny mpanakanto, mpamoron-kira andrarezin’ny hira ara-pilazantsara Malagasy, Ndriana Ramamonjisoa.

 

Araka ny fampitam-baovao voaray dia isan’ireo lavon’ny valanaretina Coronavirus ny tenany. Mpamoron-kira ho an’ireo mpihira ara-pilazantsara maro, indrindra, ireo nanamarika ny taona 1990, I Ndriana Ramamonjy. Isan’ireo novolavolainy tao anatin’izany ry Hantatiana sy Fara Andriamamonjy. Isan’ireo nametrahany dian-tanana koa ny hira ao anatin’ny fihirana fanampiny FFPM. Malaza indrindra amin’ireny ny “Andriamanitra fitiavana”. Ny taona 2017 ny tenany no notolorana ny mari-boninahitra “Commandeur de l’ordre des arts et des lettres » ary 34 taona nisehatra teo amin’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara sy famoronan-kira fanabeazana maro izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT