Actualités

Mirongatra ny trafika Rongony 6208 kg sy menaka rongony 21 litatra sarona


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Jiolahy mpisera rongony miisa efatra no voasambotry ny zandary mpampandry

 

 

 

tany tao Mahadera kaominina Marotolana distrika Ambanja faritra Diana ny tolakandron'ny 19 desambra 2020. Angom-baovao avy amin'olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy rongony maro mitoby anaty trano roa ao Mahadera. Nidina teny ifotony nanao fanamarinana avy hatrany ny zandary. Tra-tehaka tao tokoa ireo rongony 140 gony lehibe izay mitotaly 5 taonina sy 80 kilao (5080 kg) sy menaka rongony 21 litatra. Rehefa natao ny famotorana dia jiolahy iray atao hoe "Manuel" no tena lehiben'ny mpamongady rongony ao an-toerana izay voasambotra niaraka tamin'ireo jiolahy 3 hafa tompon'ny rongony sasany. Rehefa nalalinina ny famotorana dia mbola namboraka ihany koa ireto farany fa mbola manana rongony 1200 kg, ary rongony 6 gony no manome menaka iray litatra izay amidy 700.000 ariary. "Ny fidorohana rongony no tena anisan'ny mampirongatra ny asan-jiolahy na ambanivohitra na ambonivohitra, mahatsiaro sahisahy sy tsy afaka misaina tsara intsony ny olombelona rehefa domelin'ny rongony ka mahavita manao asa ratsy, mahafaty olona mihintsy" hoy ny Kolonely komandin'ny vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena Diana. Tsiahivina fa mahavoasazy an-tranomaizina anaty fotoana maharitra ny mamboly, mitondra, mivarotra, mividy, midoroka zava-mahadomelina toy ny rongony. Tsy hisy intsony ny indrafo ho an'izay sarona manao izany, hoy ny zandarimariam-pirenena.

Toky R sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT