Mirongatra ny herisetra

> Tovolahy iray voatsindrona antsy in-6 teo amin’ny kibony


  • Sabotsy 28 Septambra 2013

Miha mahazo vahana indray ny disadisa sy fialonana samihafa ka mitarika fifamonoana eo amin’ny mpiara-monina ao amin’ny faritra ambanivohitr’Amoron’i Mania.

Hatrany Ambatofinandrahana sy Ambositra dia efa ahitana fifamonoana amin’ny alalan’ny tsindron’antsy koa ao amin’ny Distrikan’i Manandriana. Tovolahy tokony 25 taona eo ho eo no tratran’ny tsindron’antsy in-6 miantoana teo amin’ny kibony sy ny tratrany ny alarobia 25 septambra lasa teo tany amin’ny kaominina Anjoma Nandihizana. Avy namonjy lanonana handeha hody ity tovolahy ity no nosakanan’ny tovolahy maromaro teny an-dalana, notoraham-bato, nianjera tamin’ny tany vao notsindromin’ny jiolahy telo antsy saingy tsy nahafaty azy. Lasa nandositra ireo jiolahy raha nandre olona maromaro nahita ny zava-niseho. Mandray fitsaboana ao amin’ny hopitalin’Ambositra ilay tovolahy maratra amin’izao fotoana izao. Anisan’ny fomba ratsy entin’ny mpanao ratsy mamono olona ankoatra ny basy indray izao ny manindrona antsy tampoka ao Amoron’i Mania ka mila mitandrina ny tsirairay.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT