Actualités

Mirongatra ny « dengue » ao Seisela Miandry izay higadonany ny eto Madagasikara ?


  • Sabotsy 18 Jona 2016

Mirongatra ny aretina « dengue » ao Seisela amin’izao fotoana. Hatramin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina aza mikoropaka mitondra fanampiana ho an’ity nosy rahavavy, anisan’ny mahasarika mpizahatany aty amin’ny raomasimbe indianina ity.

Tsy vaovao amin’i Madagasikara ny “dengue”, izay karazan’aretina tazo mahery. Ity fatritr’i Toamasina iny no ahitana matetika io trangan’aretina io, toy ny “chikungunya”. Velon’ahiahy ny eto an-toerana manoloana ity tranga any Seisela ity, sy ny amin’ny mety hahatongavan’io valanaretina io eto Madagasikara. Misy mantsy ny sidina mivantana mila ho isan’andro, mampitohy an’i Seisela amin’i Madagasikara ary maro ireo olona mivezivezy ao anatin’izany, misy Malagasy ary betsaka ny teratany vahiny. Hatreto dia mangina ny mpitondra Malagasy na ny amin’ny fampahalalana ny fisian’io aretina io sy ny fepetra noraisina, raha efa misy, hiarovana ny Malagasy tsy ho tratr’io aretina io. Ry zareo Frantsay ohatra dia efa nampahafantatra ny olompireneny ny fisian’io valanaretina io, ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahininy, mba hahafahan’ny tsirairay mandray fepetra indrindra ireo manana anton-dia haleha any Seisela.

Raha sanatriavin’ny vava ka tafiditra eto Madagasikara izany “dengue” izany dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahatongavan’ny mpizahatany eto Madagasikara, ary koa mety hanohintohina ny fampiantranoana ireo fihaonambe an-tampony in-telo miantoana horaisin’i Madagasikara, izay hanomboka amin’io volana jolay io ny voalohany, hataon’ireo Parlemanteran’ny tany miteny frantsay amin’ny ampahany na manontolo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT