Actualités

Miralenta sy fampandrosoana Tara 7 taona i Madagasikara


  • Alarobia 08 Jona 2016

Nifaneken’ireo firenena 2/3 mpikambana ao amin’ny «Southern African Development Community» ny taona 2008 ny fifanarahana momba ny miralenta sy ny fampandrosoana.

 

Anisan’ny nanasonia izany i Madagasikara saingy tsy afaka nampihatra ireo tanjona 28 voarakitra ao anatiny tahaka ireo Tanjon’ny taona arivo fahatelo izay nifarana ny taona 2015. Goavana indrindra ny fandraisan’anjara 50%-n’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra ara-panjakana sy ny tsy miankina. Raha tsorina anefa dia nijanona teo amin’ny fankatoavana ny fampitovian-jo sy andraikitra eo amin’ny lahy sy vavy fotsiny ny firenena Malagasy nandritra ny 7 taona maninjitra. Dingana vaovao tsy maintsy hirosoana anefa ankehitriny ny fanavaozana io fifanarahana manome lanja ny fampitoviana lenta ny roa tonta eo anivon’ny Vondrom-paritry ny fampandrosoana ny tapany atsimon’i Afrika io ho fiatrehana ny 15 taona manaraka izay mifanindran-dàlana amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra nofaritan’ny Firenena mikambana hatramin’ny taona 2030. Mijoro ho mpisava lalana sy mpanentana ihany ny firaisamoni-pirenena mpiara-miasa amin’ny Sadc. Miankina betsaka amin’ny finiavana politika hananan’ny mpitondra fanjakana kosa ireo vokatra rehetra andrasana, araka ny fanazavana azo. Tsara ho fantatra fa vehivavy ny 50,3%n’ny mponina eto Madagasikara. Andriambavilanitra avokoa ny 88%-n’ny sandry mpamokatra ary 48% kosa ireo vehivavy teknisianina sy matihanina eto amintsika.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT