Efa nanomboka ny taona 2000 tany ho any no efa nivoizana ity voambolana “miralenta” ity ho antsika eto Madagasikara. Nanampy tosika lehibe tamin’izany ny fisokafantsika bebe kokoa teo amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena maro tany ivelany.
Anisan’ny voalaza ary manan-danja lehibe ao anatin’ny tanjona taona arivo fahatelo rahateo ity fampandraisana andraikitra mitovy eo amin’ny lahy sy ny vavy ity eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny ary ny fitantanana ny firenena manokana. Aiza ho aiza no misy antsika eto Madagasikara eo amin’izay fampiharana ny miralenta izay amin’izao fotoana izao ? Fanontaniana mipetraka io ary azo valiana mazava amin’ny alalan’ny antontan’isa izay mivoaka. Raha ny zava-misy azo tsapain-tanana aloha dia efa maro ireo vehivavy no mitana anjara toerana mpanapa-kevitra eny amin’ny sehatra tsy miankina. Mbola maivamaivana kosa ny salanisan’ny andriambavilanitra raha ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena no resahina.
Ny antontan’isa nanomboka tamin’ny taona 1993 dia milaza fa 5,3% ny tahan’ny vehivavy Malagasy solombavambahoaka, izany hoe olona 7 tamin’ny depiote 138. Ny taona 2007 dia niakatra ho 12 amin’ny Parlemantera 127 ny isan’izy ireo izay manome ny taha 9,4%. Ny tena fiovana goavana tsikaritra kosa amin’izao fotoana izao aloha dia ny fahitana ireo renim-pianakaviana sahy mandray andraikitra raha tsy hilaza afa-tsy ireo kandidà filoham-pirenena izay mihoatra ny 4. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa voarakitra ao anatin’ny tanjon’ny taona arivo fahatelo hatramin’ny taona 2015 ny tokony hahatrarana ho 30% io salan’isa io ho an’i Madagasikara, izay mambra ao anatin’ny firenena mikambana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.