Miralenta

> Efa mihatra ao Amoron’i Mania


  • Alatsinainy 10 Martsa 2014

Niavaka ny fankalazana ny 8 martsa tao Ambositra tamin’ity taona 2014 ity. Endrikendrika mpitondra vaovao avokoa no nanotrona ny lanonana tao Antamponivinany notarihin’ny Minisitry ny filaminana anatiny Razafindrazaka Arsčne.

Olom-baovao avokoa na ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania Razafimaro Joseph, sy ny solombavambahoaka, ny lehiben’ny Distrikan’Ambositra ary ny filohan’ny fikambanam-behivavy 8 Martsa ao Ambositra. Nitsahatra tamin’ny fitarihany ity fikambanana ity Rtoa Rapatsalahy Georgette izay nitondra nandritra ny 25 taona ka natolony an-dRtoa Raharinivo indray ny fitarihana ny fikambanana. Ny fari-piadidiam-paritry ny mponina sy ny Fikambanam-behivavy 8 martsa tao Ambositra no mpikarakara ny hetsika. Ireo rehetra nandaha-teny dia samy nampivoitra ny miralenta avokoa, tokony hampiharina izany ary hatramin’ny Repoblika faha-2 no ho mankaty dia i Amoron’i Mania hatrany no mpitarika amin’ny fampiharana ny miralenta. “Fampiharana ny miralenta no antoky ny fampandrosoana ny tsirairay” rahateo no lohahevitra tamin’ity taona 2014 ity. Efa hita soritra ao Amoron’i Mania ny miralenta satria vehivavy zanak’Amoron’i Mania no filohan’ny Antenimieram-pirenena, mbola vehivavy koa ny talem-paritry ny mponina, misy solombavambahoaka roa ao Amoron’i Mania, vehivavy no lehiben’ny Distrikan’i Manandriana ary saika vehivavy avokoa ireo lefitry ny lehiben’ny Distrika efatra. Nahasarika olona maro ny dihy “Zumba” nataon’ireo Cow girl sy tovovavy nandritra ny fankalazana.

 

Rado

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT