Actualités

Miparitaka ny basy Misy paikady vaovao hampiasaina


  • Talata 20 Martsa 2012

Tsara ary maha te hidera ny fametrahana ilay fomba fiasa sy fomba fiady vaovao mba hanaraha-maso ny fifamezivezen'ny basy eto amintsika.

 Misy logiciel manokana mihitsy moa hikirakirana izany amin'ny solosaina ka ny OTME (Office de Transmission Militaire de l'Etat) no hiandraikitra azy. Tena hita miparitaka tokoa raha ny basy eto amintsika nandritra izao krizy izao ary manana sy mampiasa azy ireny ny jiolahy, hany ka nitombo isa ny naratra sy namoy ny ainy. Araka ny nambara teo dia tsara ilay hevitra, saingy hanao ahoana kosa ny tohiny. Raha voaporofo fa basy tsy nahazoana alalana no eny am-pelatanana olona iray dia ahoana no atao ? Mahoraka be ihany koa fa misy mpitandro ny filaminana mampanofa ny basin'izy ireo amin'ny jiolahy, koa antenaina izany fa ho haingana kokoa, amin'izay manomboka izao ny fitsirihana sy fisamborana ireo izay manao izany. Be loatra ny basy mifamezivezy eto Antananarivo eto, araka ny hita amin'ny tatitra ataon'ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny asan-jiolahy. Mazava ny resaka izany fa maro be ny olona mitam-basy any an-tranony kanefa tsy manana fahazoan-dalana ho amin'izany akory. Ka ho hita eo indray ny asa mivaingana ho vita amin'izao paikady vaovao hitsirihana ny fifamezivezen'ny basy eto amintsika izao ary tena mba hampihatra ny lalàna marina, ny fanjakana fa tsy be kabary fotsiny amin'ny paikady hatao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT