Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny zoma 29 jolay vao mangirandatsy ny vata nisy ny nofomangatsiakan’i Mino Razafitrimo, teraka Rakotomalala,
ilay renim-pianakaviana teratany Malagasy, 31 taona, nopaohin’ny fahafatesana tampoka vokatry ny asa fampihorohoroana, nitranga tao Nice ny harivan’ny 14 jolay 2016, nankalazana ny fetim-pirenena frantsay. Ankoatra ny fianakaviana dia nanampy tamin’ny fampodiana ny razana an-tanindrazana ny Frantsay sy ny kaompania Air France, izay nitondra azy. Nivantana teny Ambohibao Antehiroka ny razana, ary hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Fiangonana Fiangonana Anglikana Trinite Masina Avaratranjoma, anio 1 aogositra, mialoha ny handevenana azy eny Ambohimanga Rova. Namela mananotena sy kamboty kely roalahy i Mino Razafitrimo izao nodimandry izao. Omaly no tonga nitondra ny teny fampiononana ny fitondram-panjakana notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier, ity farany izay nanararaotra namaly ireo fitakiana politika tato ho ato sy nanaovany fampitandremana ireo mpanakorontana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.