Fanamby tsy maintsy atrehintsika miaraka ny fanarenana ny fahasimban’ny
tontolo iainana amin’izao fotoana izao, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Samy mitondra ny anjara birikiny ny sehatra rehetra. Ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, tamin’ny alalan’ny Oniversiten’Antsiranana dia nikarakara fihaonambe iraisampirenena momba ny lohahevitra hoe « Dialogue et savoir-faire : construction des connaissances autour des enjeux et défis écologiques à Madagascar et dans l’Océan Indien». Sehatra iray sady fianarana ho an’ny tanora no ahafahan’ny mpikaroka mifanakalo hevitra hitondrana vahaolana momba ny olana ara-tontolo iainana atrehantsika amin’izao fotoana izao. Ny fanarenana ny ala sy ny ady amin’ny doro tanety, ny fampiroboroboana ny fihariana maitso sy manga ary ny RSE, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiompanana amin’ny angovo azo avaozina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tontolo iainana, ny fanatsarana ny haitondra, ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Ireo no fototra miisa 6 hijoroan’ny politika ara-tontolo iainana eto amintsika ankehitriny ary nozaraina tamin’ireo mpizaika rehetra. Ireo firenena mampiasa ny teny frantsay no mandray anjara amin’ity fihaonambe atao any Antsiranana ity, hoy hatrany ny tatitry ny MEDD mikasika ity fikaonan-doha tontosa ny 26 sy 27 novambra teo ity izay araka ny fanazavana moa dia hirosoana hatrany amin’ny tanjona mba hahatonga ny harena voajanahary eto Madagasikara ho lovan’ny taranaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.