Actualités

Ministeran’ny raharaham-bahiny Tsy nanontaniana ny hevitray, hoy ny sendika


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Gaga sy talanjona mafy ireo mpiasa mivondrona ao anatin’ny SEMPIMIRA na ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny omaly raha nahare ilay filazana avy amin’ny ministera fa efa miverina amin’ny

laoniny ny asa eo anivon’ity ministera ity. Izahay aza hoy izy ireo mbola mivory ary mbola service minimum hatrany no misy. Tsy niarahana nidinika taminay ilay fanapahan-kevitra hiverina hiasa hoy Rasoloarimahefa Hasinjaka, anisan’ireo chef de service nisolo tena ireo mpiasa niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly. Samy tia an’i Madagasikara isika hoy izy ary samy mikatsaka ny fampandrosoana ny firenena. Tsy izahay hoy hatrany izy no sanatria ho vato misakana fa noho ny fitakianay ny zonay tsy misy valiny no anton’ilay sit-in sy hetsika nandritra ny iray volana izao. Manana fahavononana ny hiresaka sy hamaha ny olana tanteraka izahay hoy hatrany izy ka anisan’ireny ilay fihaonana amin’ny fiadidian’ny Repoblika amin’ny herinandro ho avy io. Aza hatao antsirambina araka izany hoy izy ireo ny Ministeran’ny raharaham-bahiny fa omeo ny lanjany. Anisan’ny ministera lahimatoa izy ary misolo tena an’i Madagasikara maneran-tany hoy hatrany izy ireo. Na izany aza dia malahelo hatrany ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny SEMPIMIRA. Be loatra mantsy ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo hoy Rajaobarielina Faratiana, sekretera jeneralin’ny SEMPIMIRA. Anisan’ireny ny fanerena azy ireo an-kolaka hiasa nefa tsy nisy fifampidinihina akory. Toraka izany ihany koa ny fandefasana emmo-reg teny an-toerana omaly nefa hetsika tamim-pilaminana sy tsy nanakorontana ny hafa no nataony. Toraka izany ihany koa hoy hatrany izy ny fanendrena olona vaovao nataon’ny tompon’andraikitra nefa mbola ao anatin’ny fiadivana ny zony tanteraka ny mpiasa. Raha tsiahivina moa dia ny mangataka ny tambin-karamany tsy voalohany sy ny hanafoanana ilay fandefasana mpiasa mankany amin’ny faritra no tena takian’izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT