‘Tsy afaka mampiditra mpanao gazety izahay raha ny baiko azo avy any ambony ’ izay no voalazan’ireo polisy mpiandry ny varavarana hidirana ao amin’ny biraon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka eny Anosy omaly
alatsiniainy izay tsy maintsy nanontaniana ireo rehetra miditra ny faritra ny toerana misy ny biraon’ny polisy ary tsy ahafahana mitrandraka vaovao. Tsy fantatra mazava izay tena antony raha nambaran’ireo mpiandry varavarana fa fanatanterahana ny baiko midina no sisa ataon’izy ireo. Nahavarina ireo mpanao gazety izay tonga teny an-toerana ity fanakatonam-baravarana ho an’ny mpitandraka vaovao ity. Raha ny fantatra mantsy dia tao amin’ity birao ity no nanaovana ny famotorana ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS . Noho io raharaha io no nahatonga ny mpanao gazety tonga hanangom-baovao sy hamantatra ny zava-misy. Tsy afaka nitady ny vaovao tao amin’ny biraon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka eny Anosy anefa ny mpanao gazety ka voatery niverin-dalana. Varavarana mikatona sy misy polisy milanja basy no nivantanana . Mampanontany hoe inona no zava-misy hoe misi ifandraisany tamin’ny fanadihadiana ny filohan’ny sendikan’ny mpiasa CNaPS ve sa inona ?
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.