Naiditra am-ponja noho ny famoahana entana an-tsokokoso tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny lehiben’ny sendikan’ny diplaomaty eo anivon’io ministeran’ny raharaham-bahiny io.
Efa tamin’ny taona 2009 no nitranga izany ary efa nisy ny fitondrana azy teo anivon’ny polisy mba hohadihadiana. Nahazo fahafahana vonjimaika izy taorian’izay. Roa taona taty aoriana dia nivoaka indray ny dosie, noho ny antony tsy fantatra. Naverina nohadihadiana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana indray, ny polisy tetsy Anosy, ny alakamisy teo ary naiditra am-ponja ny harivan’ny zoma, raha araka ny vaovao nampitaina taminay. Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho hevitra matetika ity lehiben’ny sendikan’ny diplaomaty ity tato ho ato. Raha ny filazan’ny akaiky azy dia efa nisy ny fandrahonana sy ny fangataham-panazavana natao taminy vokatr’izany. Dia izao nitohy izao ka tonga hatramin’ny fanagadrana izao, roa taona ataty aoriana. Ny mpikambana eo anivon’ny sendika izay tarihiny dia manameloka tanteraka ny zava-mitranga.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.