Actualités

Ministeran’ny kolontsaina Nanjavona ny fanampiana nomen’ny Japoney ?


  • Zoma 04 Martsa 2011

Nisehoana kolikoly avo lenta miaro fanaparam-pahefana teo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny vakoka.

Loharanom-baovao samihafa no mitatitra fa entana isan-karazany nahitana zavamaneno sy fanamafisampeo isan-karazany toy ny gitara, ampli, micro, baffle, piano miampy fahitalavitra maro mitentina 693.000 Yen, izay fanomezana avy amin’ny orinasa Phenix Music avy any Japon ho an’ny ministeran’ny kolontsaina no nanjavona rehefa niala tamin’ny toerany ny tale iray teo anivon’ity ministera ity. 

Ity tale ity izay sady mpanao gazety akaiky ny fitondrana amin’izao fotoana. Ny 02 oktobra 2009 no nosoniavin’i Hideo Suzuki, tomponandraikitry ny Phenix Music sy Gilbert Raharizatovo ministra tamin’izany fotoana ny fifanarahana momba ireo entana raha ny 21 janoary 2010 kosa no tafiditra malalaka teto Madagasikara izy ireo rehefa nahazo fanalefahan-ketra teo anivon’ny fadin-tseranana araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta. Nitoby tao amin’ny biraon’ity tale ity ireo fitaovana ireo izay marihina fa nomanina hozaraina amin’ny ivotoerana fianarana mozika eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra. Rehefa nisolo anefa ny ministra ka nandray ny toerana i Mireille Rakotomalala ny volana jona 2010 dia nangoron’entana avokoa ny ekipan’i Gilbert Raharizatovo. Teo no voalaza nisy tale tsy nanao «passation» tamin’ny mpandimby azy izy, ka tafiditra tamin’izany iretsy zavamaneno iretsy.

Hosoka avo lenta

Tsy nanaiky mora foana ity toe-javatra ity ny orinasa Phenix Music rehefa voamarina fa tsy tody tamin’ireo nandefasana azy ny entana. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ny ministeran’ny kolontsaina noho izany ka nampanantsoina teny an-toerana ilay tale. Tsy nipoitra mihitsy anefa ity farany raha tsy tamin’ny fampiantsoana azy fahatelo. Nitondra taratasy ity tale ity tamin’io fotoana izay manambara fa ny Fiadidiana ny tetezamita no miandraikitra ireo fitaovana ireo io. Misy ny sonian’i Andry Rajoelina ilay taratasy saingy tsy nisy “référence” kosa anefa ka mampiahiahy ny maha ara-dalàna azy. Ho an’ny ministeran’ny kolontsaina dia taratasy hosoka io nampiasaina io. Nanamafy rahateo ny tompon’andraikitra ambony iray miasa ao amin’ny Fiadidiana ny FAT, hoy ny avy eo anivon’ny ministera, fa tsy avy amin’izy ireo ity taratasy ity. Araka ny fantatra dia lavin’io tompon’andraikitra io koa ny baiko milaza fa ny FAT no miandraikitra ny entana.

Fanaparam-pahefana

Omaly ary dia nisy ny fisavana ny tranon’ity tale teo aloha ity nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava niaraka tamin’ny mpiasan’ny ministeran’ny kolontsaina vitsivitsy ka ny tanjona dia ny haka ireo entana ireo. Vao nigadona fotoana vitsy anefa ireto mpamita iraka ireto dia naharay antso an-tariby, avy amina mpanolotsain’ny FAT sady mpanao gazety mpanohana ny fitondrana, mandrara ny fanatontosana io fisavana io. Fahefana avy aiza moa no ahafahany manome baiko olona manatanteraka ny asany kanefa tsy ao ambany fahefany akory ? Taorian’izay dia nahazo baiko amin’ny alalan’ny antso avy amin’ny lehibeny koa ireo polisy. Baiko nanova ny iraka nampanaovina azy ireo satria lasa fanisana ireo entana indray no natao fa tsy fisavana intsony. Vitsy dia vitsy sisa ireo zavamaneno hita tao an-tranon’ilay tale izay naverina eny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava miaraka amin’ny vadiny. Raha ny vaovao voaray farany koa dia ireo tale am-perinasa sasantsasany eo anivon’ny ministeran’ny kolontsaina indray no nampanantsoina eny amin’ny polisy hanaovana fanadihadiana momba ity raharaha ity ihany. Ho hita eo ny tohiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT