Actualités

Ministeran’ny harena ankibon’ny tany Mandihy tsy afa-tavony


  • Talata 26 Aprily 2011

Ny SIMH (Salon International des Mines et Hydrocarbures) izao no malaza. Dokambarotra etsy, dokambarotra eroa.

Mandihy tsy afa-tavony anefa ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika satria tsy mahita na minia mikipy ny olana mianjady amin’ireo orinasam-panjakana eo ambany fiahiany. Aiza ho aiza moa izao ny fanavaozana sy ny fanaraha-maso any amin’ny Omnis sy Kraoma ? Maro ihany, tsy hotanisaina, ny fitarainana sy ny antso vonjy ataon’ireo mpiasa na tany amin’ny fitondrana foibe, na tamin’ny fampitam-baovao samihafa mahakasika izany, fa hoe anjakan’ny fahalovana, ny akamakama, ny fanararaotam-pahefana.

Izao anefa dia ny SIMH no mahadodona ny FAT fa atao ankilabao sy tsy henoina ny feon’ny mpiasa malagasy amin’ireny orinasam-panjakana ireny. Toa tsy vonona ny handray andraikitra ny FAT na efa halohalika ny ranombary. Aiza ihany ny Bianco sy ny mpanamarina ny fitantanan-draharaham-panjakana na IGE ? Sa antso an’efitra ireny ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT