Actualités

Ministeran’ny Angovo Manao be fiavy ny minisitra vaovao


  • Zoma 01 Aprily 2011


Vaky vava avokoa na ny mpiasa raikitra eo anivon’ity ministera ity na ireo mpiara-miasa tamin’ny minisitry ny Angovo teo aloha, Ramanantsoa Rodolphe amin’ny afitsoky ny minisitra vaovao, Dr Ratsiraka Elisé. Voalaza mantsy fa taorian’ny famindram-pahefana teo amin’ireo minisitra roa ireo afak’omaly dia notazonin’ny ministra vaovao avy hatrany ny fiara. Voatery nampaka taxi ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe. Soa anefa fa mba nisy tamin’ireo mpiara-miasa taminy teo aloha no nanana fiara ka io no nanatitra azy tany an-tranony. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa saika nopitsohina ny biraon’ny talen’ny kabinetra tao amin’ity ministera ity. Mamofompona fitondra-miaramila ny raharaha, hoy ny resaka mandeha eny Ampandrianomby taorian’izay.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT