Actualités

Minisitry ny vola Hailika atsy ho atsy ?


  • Zoma 27 Mey 2016

Tsy mbola ato ho ato no hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Ny filoha dia io efa mivoaka lava any ivelany, miatrika izao karazam-pivoriana rehetra izao, izay tsy hitondra inona ho an’ny Malagasy.

 

 Ny vola mivoaka no betsaka noho ny vola azo. Momba izay indrindra dia zara raha ireo tetikasa tena maika tahaka ny famonjena ny olona kere any atsimo, ny hanatanterahana ireo tetikasa ara-tsosialy ary ny hanampiana ny tetibolam-panjakana ihany no azon’i Madagasikara amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny ankamaroan’izy ireo aza izao dia efa manomboka mifantoka amin’ny famatsiam-bola ny fifidianana manaraka indray. Niantona tanteraka ilay PND fandaharanasan’ny fitondrana HVM ilàna 18 miliara dolara. Etsy an-kilan’izay, mandeha ny resaka fa manomboka mangatsiatsiaka ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana, na dia samy expert comptable nianatra tany Québec Canada aza izy mirahalahy ireto, no efa samy tompon’andraikitra teo anivon’ny Inscae ihany koa. Tena hentitra fomba fiasa raha ity minisitry ny vola ity izay efa nilaza fa madio izy niditra teo amin’io toerana io  ary madio ihany koa rehefa mivoaka eo. Midika izany fa tsy olona azo ampiesonina amina resaka aferafera maizina, na fitantanana goragora Rakotoarimanana Gervais ka mety hanembantsembana ny sasany. Re fa misy amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filoham-pirenena no miezaka any ambadibadika any manaratsy ity minisitry ny vola ity mba handresen-dahatra an’ingahy filoha avy eo fa tokony hosoloina olon-kafa izy. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT