« Mitohy ny fitakiana ny Nosy Malagasy manodidina ary mailo hatrany ny
Fitondram-panjakana malagasy sy ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny », hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva namaly ny fanontaniana avy amin’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanatrehana ny 15 desambra teo. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana any Frantsa, manodidina ny valan’aretina Coronavirus, ny fanatanterahana an’izany dingana faharoa fihaonana eo amin’ny « Commission mixte » taorian’ny teto Madagasikara ny novambra 2019. Na izany aza dia manara-maso hatrany izay fihetsika mety hanohintohina ny fitohizan’izany fifampiraharahana izany an-kitsimpo ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ka izay no nanehoany ny fanoheran’i Madagasikara tanteraka ny vinavinan’ny fanjakana frantsay hamadihana ny Nosy Glorieuse, na Nosy Sambatra, ho valan-javaboahary, ka nampiantsoana ny Masoivoho frantsay teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny hanehoana izany fanoherana mafy izany, hoy izy. Noentina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa izany fanoherana izany ka nampitaina tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Firenena mikambana, ny Firaisam-be afrikanina, ary nahazoana ny fanohanan’ny vondrona SADC ihany koa. Niantso ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ary nampahatsiahy ny fanomezan-toky nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mikasika ny tsy maintsy hanohizan’ny fanjakana sy ny vahoaka malagasy ny fitakiana ireo Nosy ireo, mba ho lova sy reharehan’ireo taranaka any aoriana. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa fitakiana tsy mila fiaraha-mitantana fa famerenana no takiana, hoy ny Filoha Rajoelina ny 11 mey 2020 teo. Ny 06 desambra fivorian’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny “visioconférence”, fa ny fikatsahana ny tombotsoa iraisana no toa nambara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.