Nilaza ny heviny manoloana ny fitakian’ny sendikan’ny mpiasan’ny Paositra omaly, ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra,
Ramaherijaona Andriamanohisoa ka nambarany fa lainga avokoa ny zavatra rehetra tantaraina momba azy.Tsy misy didy jadona izany, tsy misy fandroahana mpiasa izany hoy ny minisitra fa fandraisana mpiasa aza no natao sy mbola hatao ; nisy mpiasa ECD 6 izao efa noaraisina ho mpiasa raikitra ary misy ECD 105 hafa eo am-pikarakarana ny fandraisana azy ireo ary efa kirakiraina ny antontan-taratasy momba izany.Ny taona 2019 sy 2020 no nisy orinasa natsangana fa hoe hanaovana ny privatisation an’ny Paositra Malagasy saingy tsy nanaiky izany aho satria tena tsy azo atao izany hoy ny minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa , kanefa ankehitriny dia lazain’ireo mpiasa mitokona fa manaiky indray, tsy mitombina izany, hoy izy.Etsy ankilan’izay dia manamafy ireo mpiasa fa samy ho hitan’ny karatra eto ihany hoe iza no milaza ny marina ary iza no mandainga .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.