“Sarotra izany hametra-pialana amin’ny adidy sy andraikitra nankinin’olona taminao izany. Fifandresen-dahatra no natao. Isaorana ny Filoha sy ny Praiminisitra sy ny Praiminisitra hoe:
sokafy ho an’ireo mpandraharaha mahafeno fepetra ny fanondranana”, hoy ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Atoa Mahatante Paubert teo anatrehan’ilay resaka mandeha momba ny hoe: tsindry sy fanosehana azy hametra-pialana. Tao anatin’ny tapa-bolana no nisian’io siosio momba ny tsindry io manery ity minisitra ity hametra-pialana. Ireo mafia ahitana orinasa sinoa manodidina ny 6 mpanao ampihimamba amin’ny sehatry ny jono sy ny harena anaty rano no voatonontonona ho ao ambadik’izany. Voalaza fa antony ny famoahana ny lisitr’ireo mpandraharaha afaka manondrana drakaka, araka nydidim-pitondrana mitondra ny laharana 193/2021/MPEB/Mi tamin’ny 15 desambra, izay mitsinjara ny fahazoan-dàlana hanondrana drakaka any ivelany amin’ny taona 2022 ho avy izao. Orinasa 32 voafidy fa hanatanteraka ity asa ity rehefa nojerena ny antontan-taratasin’izy ireo, ary nambaran’ny minisitra fa efa nankatoavin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Voalazan’ny loharanom-baovao iray moa taorian’io fa misy mikendry ny hialany mihitsy kanefa, taorian’io dia efa niantso azy ihany koa ny Praiminisitra, naharitra adin’ny iray teo ny resaka eo. Nivoitra ny hoe: “atrehina ny olana fa tsy andosirana na iza faly na iza tsy faly”. Midika io, fa tsy nahomby ny tetikadin’ireo mafia hanilika tompon’andraikitra ara-panjakana heveriny manelingelina ny aferany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.