Manoloana ny fahatratrarana volamena naondrana an-tsokosoko, niainga avy eto
Madagasikara, milanja 73,5 kg tany amin'ny Seranam-piaramanidina OR Tambo Johannesburg, Afrika Atsimo ny alakamisy 31 desambra 2020 lasa teo, dia nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanonan-karena Stratejika tarihin’Atoa Fidiniavo Ravokatra fa tsy nisy mihitsy taratasy fahazoan-dalana hanondrana navoakan’ny Ministera mikasika izany, satria efa nanomboka ny volana oktobra 2020 no nampiato ny fanondranana volamena ny Fanjakana. Efa mandeha ny fanadihadiana hahafantarana ireo rehetra tompon'antoka tamin'io fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena io. Ny Ministera, araka ny andraikiny, dia tsy handefitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ao anatin'ity raharaha ity, ary maneho ny fahavononany hiara-miasa amin’ny rehetra amin’ny famerenana ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara, hoy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.