Actualités

Minisitry ny Fitsarana “Tsy olana ny fanadihadiana ataon’ny loholona”


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety eo anatrehan’ny tohin’ny raharaha

 

 

 

vaky fonja tany Farafangana ny 23 aogositra ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Andriamahefarivo Johnny Richard. Misy mantsy ny fananganan’ny loholona vaomiera manokana hanao fanadihadiana momba iny raharaha iny, izay tsy fantatra mazava izay tohiny hatreto. “Firenena tan-dalàna isika ary manana ny maha izy azy daholo ny rafi-pitondrana eto amin’ny firenena. Raha hanadihady momba izany izy, tsy hitako izay olana. Tsy misy miafina amintsika ny zava-misy. Nitsoaka tao am-ponja ireo voafonja 88 angamba raha tsy diso aho, nangalatra basy, dia nikorontana eraky ny tanàna, niteraka savorovoro tao Farafangana. Nisy ny fanenjehana, nisy ny famaliana ny fanenjena maty voatifitra. Raha izay no hanaovany fanadihadiana hanamafisana an’izay dia tsy hitako izay olana, fa mahatsara zavatra izay, ary mety hanazava ny zavatra tena nisy marina”, hoy ny minisitry ny fitsarana. Tsiahivina fa tafiakatra 22 maty tsy tra-drano tamin’io fotoana io. Isan’ny nanao fanamarihana tamina fahitalavitra iray ny Depiote sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa ny 25 aogositra, fa isan’ny namoy ny ainy tao anatin’ireny, ohatra, ny olona iray izay halatra akoho no nanagadrana azy, 4 taona tsy notsaraina fa notazonina tao foana. Isan’ny nangataka ny hanokafana ny fanadihadiana ny tenany tamin’izany. Nisy ihany koa ireo firaisamonim-pirenena nampiaka-peo noho ny fahitan’izy ireo fa nisy ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Nambara fa hosokafana ny fanadihadiana, saingy toa tsy re intsony ny tohiny. Asa izay ho vokatry ny fanadihadian’ilay vaomiera etsy amin’ny antenimierandoholona, izay hotarihin’ny loholona Randriamanantsoa Jafetra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT