Actualités

Minisitry ny fitsarana “Tsy hamelako io tsy fahitana gadra 22 io”


  • Talata 23 Novambra 2021

Gadra 22 no voamarina fa tafavoaka ny fonjan’i Miandrivazo, faritra Menabe hoy ny tatitra ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana omaly 22 novambra.

9 amin’ireo nandositra ireo no voafonja efa voatsara; 6 no mbola tsy voatsara; olona 7 hafa no tafiditra anatin’ireo tsy hita na “absent”. Tatitra voarain’ny minisitera ny 11 novambra 2021 ireo, taorian’ny fanadihadiana maromaro, ny fijerena ny boky sy ny voafonja rehetra, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza. “Izaho tsy mba naman’ny manafinafina ny zavatra misy fa aleo ho fantatsika. Nojerena ny boky sy ny fonnja sy ny foafonja rehetra. Tsy nisy ny fonja vaky. Tsy maintsy halefako hatramin’ny farany ny fanadihadiana momba izao raharaha tany Miandrivazo izao. Ampy, aoka izay ny famoahana gadra tsy ara-dalàna. Izaho vonona hiara-hiasa na amin’iza na iza fa anatin’ny fanarahan-dalàna. Mila haverina ny fanarahan-dalàna satria izay no ahafahan’ny olona manaja ny minisiteran’ny fitsarana, ny fandraharahana ny fonja”, hoy ity Minisitra ity. Andrasana noho izany ny ho tohin’ity raharaha ity, fa raha halalinina izany dia tena nisy ny tsikimbakomba avo lenta tamin’ny famoahana ireo gadra 22 tao amin’ny Fonjaben’i Miandrivazo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT