Raha eo amin’ny raharaham-pitsarana, dia samy manana ny fiandrianam-
pireneny na isika na ny Afrikanina Tatsimo. Ny antsika aty mandeha, fa ny azy ihany koa mandeha. Ny zavatra mitranga dia mbola tsy fantatra ny tena hevitry ny Afrikanina Tatsimo, fa ny antsika aty dia mazava hoe nisy heloka nitranga taty amintsika, niatomboka taty amintsika ny heloka nitondrana ireo volamena nakany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo omaly tao amina onjam-peo tsy miankina iray. Tsy misy filazana eto hoe tokony ho hody na tsy hody .fa samy manana ny filazany, fa isika dia mitazona ilay hoe ny toerana sy ny nialany dia teto amintsika, ary teto no niantombohan’ny heloka, ary misy Malagasy ao. Misy mpahay lalàna niteny tamin’ny herinandro hoe: tsy misy antony tokony hitadiavan’ny firenena sy ny fitondrana Malagasy ilay volamena. Miala tsiny aho miteny amin’io mpahay lalàna io, fa izaho dia mpitsara, ka amin’ny maha mpitsara anay, dia ny fitsarana no hanapa-kevitra hoe an’iza ilay volamena ary izay ny anton’ny fikarohana, hoy ity Minisitra ity. Hatreto, hoy izy, dia misy ny “présomption” hoe niala teto amintsika io. Any amin’ny raharaham-pitsarana dia raha milaza ny fitsarana ho antsika na tsy antsika vao mihevitra. Raha milaza kosa io olona io fa tsy an’ny fitondram-panjakana io, dia sahy milaza ve izy fa an’olon-kafa io, ary iza ny olon-kafa no tompon’ireo volamena ireo? hoy ity Minisitra ity. Miezaka ny Filoham-pirenentsika manao ny fandaminana sy ny fanamboarana vaovao, ka heveriko fa ao anatin’ny fitoniana fa tsy fifandranitana politika no hitondrana ny raharaha, hoy ny Minisitra. Misy maneran-tany ny fanaovana fangatahana, ka nisy izany tamin’ny raharaha Wikileaks tany Etazonia, nisy tsy nahazo fa amin’ity izay dia manantena fa mba ahazo satria eto Madagasikara efa misy 20 ny olona henjehina ary ilaina ny fampitambarana an’ireo olona hiditra kokoa any amin’ny marina sy rariny eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Miandry am-pitoniana, ary miezaka izahay, ka tsy mijanona raha tsy mahazo valiny na ho eny na ho tsia amin’ny famerenana ireo olona sy ny volamena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Roa tokom-bolana izao no lasa saingy tsy mety mivoaka ny anaran’izay tena tompon’ny volamena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.