Efa niteraka adihevitra be ny fanendrena ny filohan’ny vaomiera lazaina ho mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, Dama Arsène Andrianarisedo, ny 7 desambra 2021 teo.
Antony dia satria ny vadiny, Ranampy Dama Marie Gisèle, dia minisitry ny asam-panjakana am-perinasa. Ankehitriny anefa ity farany dia io voatendry hitana ny fitombon-kasem-panjakana io, izany hoe lasa minisitry ny fitsarana. Ekena fa notendrena vonjimaika izy ho amin’izany toerana izany saingy tsy nofaritana mazava kosa hoe mandra-pahoviana izay fetra maha minisitry ny fitsarana vonjimaika azy izay? Iaraha-mahalala fa tsy mbola nahitana solony hatramin’izao na dia manana anarana hoe Randrianasolo aza ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha, Brice Randrianasolo, rehefa nasaina nametra-pialana tamin’izany andraikiny izany ny 20 aogositra 2021, herinandro latsaka taorian’ny nanendrena azy. Ny praiminisitra, Ntsay Christian, hatrany hatreto no mbola misolo toerana azy vonjimaika tao anatin’izay 6 volana izay. Hatreto moa dia mbola siosion-dresaka ny mety ho fisian’ny fanovana governemanta fa raha izao mitranga izao, araka izany, no ho fandehany dia sady ho mpilalao no ho mpikarakara no ho mpitsara, amin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana vaovao mivady, ny fitondrana ankehitriny raha ny mikasika ny fifidianana hanomboka ny taona 2023.
Legende: Ramatoa Ranampy Dama Marie Gisèle, minisitry ny fitsarana mpisolo toerana
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.