Misy ny loharanom-vaovao milaza amin'izao fotoana izao fa lasa any Russie ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard.
Tsy misy kosa ny fampitam-baovao ofisialin'ny tafika mikasika an'io ka andrasana izay mety fanamarinana na fandisoana. Asa inona loatra no diany any? Amin'izao toe-draharaha mampihenjana ny fifandraisana eo amin'ny Rosiana sy ny Amerikanina no mandeha ny fivoahana sy fitsidihana an'i Russie. Zavatra maika ve ka tsy maintsy nandeha. Ny eto amin'ny firenena ihany koa mantsy manahirana ihany eo anatrehan'ny ho fidiran'ny rivodoza kanefa manana andraikitra amin'izany ny tafika. Tsy vao izao no nisiana fivoahana any ivelany tahaka izao. Ny volana febroary 2021 dia isan'ireo niatrika "Aero India 2021" tany Inde ity Minisitra ity, ka nambara fa tanjona ny hijery ireo teknolojia momba io sehatra io sy hitadiavana mpiara-miombon'antoka. Resaka fitaovam-piadiana ary ve izany no anton-dia any Russie satria isan'ireo efa lasa lavitra amin'izany ity Firenena herin'ny Firaisana Sovietika ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.