Actualités

Minisitry ny fiarovam-pirenena « Izay mendrika ihany no mahazo galona »


  • Talata 29 Desambra 2020

Tontosa ny marainan'ny omaly 28 desambra 2020 ny fanehoana teo anatrehan'ny

 

 

Minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) ireo Manamboninahitra Jeneraly nisondrotra laharam-boninahitra sy ireo nahazo izany ihany koa ny taona 2020, tetsy Ampahibe. Samy tonga tao avokoa izy ireo na avy amin’ny Tafika Malagasy na avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Tonga nanotrona izany ihany koa ireo Manamboninahitra Jeneraly misahana andraikitra ambony samihafa. Nisaotra ny fitondram-panjakana ary indrindra ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ireo nisitraka ny fisondrotana laharam-boninahitra ka nanome toky fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny andraikitra izay sahanin’izy ireo ka nampanantena fa hitondra fomba fiasa vaovao sy mendrika. "Miandrandra fahombiazana, fomba fiasa sy fijery vaovao satria ianareo no hanankinana ny ho avin’ny Miaramila na avy amin’ny Zandarimaria izany na avy amin’ny Tafika. Notsongaina manokana ianareo ary arahabaina tafita tamin’ny mason-tsivana izay tena efa mihatery ankehitriny. Mendrika ianareo matoa nomena izany lahara-mboninahitra izany ary manantena fanovana avy aminareo ny vahoaka Malagasy sy ny fitondram-panjakana. Raha taloha izany ka nolazaina hoe «grande braderie» dia tsy izany intsony amin’izao satria ny Filoham-pirenena dia sarotiny amin’ny fanomezana izany laharam-boninahitra izany fa izay mendrika no homena. Efa maro ireo zoky efa lasa nisotro ronono ka ianareo indray izao no antenaina hanohy ny ezaka efa natomboka hatramin’izay", hoy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena (MDN) Jeneraly Rakotonirina Richard. Nanolotra fanomezana manokana ho an'ny Minisitra roalahy ireo nahazo fahasoavana tamin’ity taona 2020 ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT