Nisy nikasa handoro ny tranon’ny minisitry ny fampianarana ambony Razafindehibe Etienne Hilaire ny talata 11 martsa teo tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Araka ny filazan’ny manodidina dia efa-dahy no tazana nihaodihaody nikasa hanao io asa fandoroana io. Tranga izay tsy mbola nisy tao amin’ny Fokontany Amparemahitsy-Mahajanga, misy ny tranon’ny minisitra, ka tsy fantatra marina ny ati-doha niketrika azy io, hoy hatrany ireo mponina manodidina. Raha efa nikasa handoro iny ireo mpanao ratsy no nisy nahatsikaritra ka dia niantso vonjeo avy hatrany. Nifanenjehan’ireo Fokonoloana teny an-toerana izy efa-dahy ireo saingy tsy tratra fa nalaiky namonjy ny fiara nitondra azy, hoy hatrany izy ireo. Fanontaniana anisan’ny mipetraka hoe inona ny antony handorana ny tranon’ny minisitry ny fampianarana ambony, moa ve misy ifandraisany amin’ity olana eo anivon’ny oniversite ao Mahajanga izany ? Efa misokatra moa ny fanadihadiana ka ny valiny no hamaly izany.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.