Maro no nanantena sy nihevitra, fa isan’ireo tsy ho voakitikitika tao anatin’ny governemanta ny Minisitry ny Atitany teo aloha Atoa Tianarivelo Razafimahefa. Ity farany, izay voasokajy hatramin’izay,
fa isan’ireo angady nananana sy vy nahitana ny fahatafaverenan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany teo amin’ny fitondrana. Herintaona mahery izay no nisy ilay raharaha “bonbons sucettes” 5miliara voalaza fa homena ny mpianatra misotro tambavy CVO, nampiongotra ny minisitry ny fanabeazana tamin’izany Rtoa Rijasoa Manana ny volana jona 2020. Tamin’io dia efa voatonontonona ny Minisitry ny atitany teo aloha noho izy mpandritra Nasionalin’ny CCO tamin’izany. Tsy naharitra ela taorian’izay, dia vaky ny raharaha tsenam-panjakana mombana “écran plat” manodidina ny 216 tapitrisa Ar, nahiana ho nisy kiantranoantrano teo amin’ny Minisitry ny atitany sy ny vadiny. Na nisy fiovana aza ny governemanta taorian’io, dia tsy voakitika Atoa Tianarivelo Razafimahefa. Efa nisy fotoana nilaza ny Bianco fa mandeha ny fanadihadiana, saingy tsy hita izay tohiny, fa fampandriana adrisa toy ny mahazatra no betsaka. Hisy tohiny ve ny raharaha “écran plat” taorian’ny nialan’io minisitra io sa hangina toy ny raharaha “bonbons sucettes”? Adihevitra hatrany eto amintsika ny hoe: misy ny fitsarana natao ho an’ny vahoaka madinika, ary misy natao ho an’ny olona ambony manam-pahefana. Ny Madinika raha voarohirohy ho nangalatra akoho mety tonga dia midoboka any Antanimora, fa ny Filoha, Praiminisitra, minisitra, lehibena andrim-panjakana,… raha voarohirohy amina afera amina miliara maro mbola mangata-tsodrano amin’ny Depiote vao azo henjehina eny amin’ny Fitsarana ambony na HCJ.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.