Actualités

Minisitra Rakotoarisoa Florent Manakiana mivantana ny CENI-T


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Ady tsy vita ny an’ny minisiteran’ny atitany sy ny CENI-T amin’ity resa-pifidianana ity. Nokianin’ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent nivantana indray omaly ny CENI-T ho tsy nahavita namaritra tetiandrom-pifidianana nandritra ny fivoriambe nataony niaraka tamin’ny solontenan’ny Firenena Mikambana sy mpiara-miombon’antoka aminy, teny alarobia ny talata 16 jolay teo.

Efa nanantena ny rehetra fa hisy datinandro nivoaka tamin’io, hoy ny minisitra Rakotoarisoa Florent, ny CENI-T rahateo mamerimberina fa vonona ara-teknika, “nefa indrisy, nandiso fanantenana ry zareo”. Lasa ny eritreritra, hoy ny lehiben’ny Atitany, eo anatrehan’izany, ary mampametra-panontaniana hoe : mahaleotena marina ve ny CENI-T sa baikon’ny vahiny ? Tomponandraikitra amin’izay mety miseho ny CENI-T, hoy Rakotoarisoa Florent raha tsy misy fifidianana amin’ity taona ity, satria efa miandrandra izany ny vahoaka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT