Actualités

Minisitra nidaroka mpitsara Hiakatra Fitsarana Ambony anio


  • Zoma 26 Jolay 2013

Handalo Fitsarana ambony anio ilay raharaha nitorian’ny vehivavy mpitsara iray ilay lehilahy minisitra teo aloha izay nikasi-tanana azy teny Ampefiloha ny 10 jona 2013.

Tsy afa-niasa nandritra ny 12 andro ity vehivavy ity noho ny fahavoazana nahazo azy araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Notanana am-ponja vonjimaika teny Antanimora ilay minisitra teo aloha ity mialoha ny niatrehany ny fitsarana, taorian’ny famotorana natao azy, ary niatrika Fitsarana ambaratonga voalohany tetsy Anosy noho io heloka io ny 19 jona. Sazy mihatra telo volana an-tranomaizina miampy fandoavana onitra 1 Ariary no didim-pitsarana nivoaka. Tsy nahafa-po ny voampanga anefa io didim-pitsarana io, dia izao hiakatra Fitsarana Ambony anio izao.

«Matoky ny fahendren’ny Fitsarana Ambony aho amin’ny fandinihany io raharaha io sy amin’izay didim-pitsarana hivoaka eo», hoy ilay vehivavy mpitsara niharan’ny fikasihan-tanana io. Marihina fa niteraka resabe tany anivon’ireny tambajotran-tserasera amin’ny internet ireny ity raharaha ity, «ary nisy mihitsy aza endrika fandrahonana avy amin’ireo olona sasany mpomba ny andaniny taorian’io didim-pitsarana voalohany nivoaka io», araka ny nambaran’ity vehivavy mpitsara ity tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto an-drenivohitra.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT