Actualités

Minisitra Marcel Bernard Tsy azo ihodivirana ny « Vérité de prix » amin’ny solika


  • Alatsinainy 15 Aprily 2013

Tsy azo ihodivirana intsony fa tsy maintsy hampiharina ny « Vérité de Prix » amin’ny resaka vidin-tsolika voadio eto amintsika, hoy ny minisitry ny Angovo, Marcel Bernard, tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly.

 Efa tokony ho tamin’ny volana martsa teo no nampiharina izy io fa noho ny fisian’ny loza voajanahary nianjady tamin’ny Faritra Atsimo dia nahemotra kely aloha. Tsy maintsy hakarina kely ny vidin-tsolika any amin’ny volana mey. 500Ar izao ny elanelana misy eo amin’ny paompy sy any am-potony, hoy izy, ka tsy maintsy atao ny fampakarana mba hampihena kely ny elanelana. Tsy azo atao henjana be anefa izany, hoy izy, fa 50Ar eo ihany raha be indrindra. Tsy afa-manoatra isika, hoy ny minisitra Marcel Bernard, fa misy fiakarany be ny vidin-tsolika any ivelany any nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2013 noho ny toetr’andro miha ratsy any Eoropa. Nomarihan’ity minisitra ity moa fa efa tamin’ny volana desambra 2012 no tafatsangana, araka ny didim-panjakana nivoaka, ny komity manokana hitambaran’ny 4 tonta dia ny Omh, ireo mpaninjara 4 tonta (Shell, Total, Jovenna, Galana), ny ministeran’ny fitantanam-bola ary ny ministeran’ny angovo izay tsy mitsahatra mivory isam-bolana mandinika manokana ny resa-tsolika sy ny vidiny eto amintsika.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT