Minisitra Manoro Régis

> Niloa-bava fa tena ilaina ny mpampianatra mpanabe


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013

Niaiky imasom-bahoaka tamin’ny lahateny nataony nandritra ny fankalazana ny andro erantanin’ny mpampianatra mpanabe teny amin’ny Kaominina Ambatomanga ny sabotsy lasa teo ny Minisitry ny fanabeazana Manoro Régis fa tena ilaina sady manana ny toerany amin’ny fampandrosoana ny mpanabe.

Notanisainy fa tsy misy teknisianina, mpiasa birao, talen'orinasa, mpitsara, manamboninahitra, minisitra, eny, tsy nisy koa filoham-pirenena raha tsy nandalo teo ambany saokan'ny Mpampianatra. Tena manao taon-dasa tsy tsaroana tokoa ingahy minisitra satria vao tsy ela akory ny tenany no sahy nanapaka karama mpampianatra 80 mahery noho ny fitokonana nataon’ireo. Marihina fa mahatratra l62.l l6 ny mpampianatra tamin'ny taom-pianarana 201 1-2012 ka miasa any amin'ny sehatra tsy miankina ny 53.042. Mpampianatra FRAM avokoa anefa ny 64% amin’ireo miasa amin’ny fanjakana. Nohararaotiny moa ity lanonana ity nanentanana ny ray aman-dreny hampiana-janaka. Tanjona ao anatin’ny telo taona rahateo ny hampiditra ny zaza rehetra an-tsekoly, araka ny drafitrasa vonjimaika 2014-2017.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT