Actualités

Minisitra Boamiavotse Raharinirina Velon’ahiahy amin’ny doro tanety etsy sy eroa


  • Alatsinainy 13 Septambra 2021

“Sarotra ny ady. Mafy ny rivotra. Mahavaky fo ny mahita ny Tanindrazana levon'ny afo ».Ireo no teny namaritan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy

 Baomiavotse Raharinirina ny fihetsem-pony ny sabotsy lasa teo no ny afo nidedaka tao amin’ny taninjanakazo ao Marohogo Mahajanga. Mbola nampiany hoe: fifandrifian-javatra sa fanahy iniana natao ? Tsara ho marihana fa mbola miady amin'ny afo any amin'ny valanjavaboahary any Ankarafantsika (RN4) ny ekipan'ny Tontolo Iainana sy ny Zandarimariam-pirenena any Boeny, ny Fokonolona, ny Fikambanana mpiara-miombon’antoka, ny mpitantana ny Faritra arovana....dia may ihany koa ity toerana misy ny fambolen-kazo iarahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga ity.Mampanontany tena ihany , hoy ramatoa minisitra raha iniana atao avokoa izao, na tena vokatr'ilay tsy fitandremana. Nisaotra manokana ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa Elia Béatrice Assoumacou, nanolotra mpianatra mpirotsaka an-tsitrapo 100 mahery, hanampy ny MEDD amin'ny famonoana afo ao Ankarafantsika ny minisitry ny tontolo iainana.Mampieritreritra tokoa ity trangana doro tanety lasa mateti-pitranga ity; ary tokony hampandinin-tena ny rehetra: na ny olom-pirenena tsotra tsy resy lahatra amin’ny fandaminana sy fepetra apetraka io, na ny manampahefana sy mpitondra fanjakana tsy mety mahita vahaolana mahomby momba ny doro tanety.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT