Actualités

Minisitra Baomiavotse Raharinirina “Miaina anaty heloka ara-tontolo iainana isika”


  • Talata 14 Septambra 2021

Miaina anaty “criminalité environnementale” na heloka bevava ara-tontolo iainana isika amin’izao fotoana izao,

 raha ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) Baomiavotse Vahinala Raharinirina, omaly. Olona 600 no nalefa nidina tany Ankarafantsika RN4 teo anatrehan’ny firehetan’ny valan-javaboahary ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny fiovan'ny toetr’’andro, izay anton’ny afo maneran-tany amin’izao fotoana izao, dia ny fanaovana arina, ny fandiovana tanety hambolena, ny fandorana ny bozaka hiraofan’ny biby fiompy ary koa ny fifindra-monina amin’ireo faritra arovana no tena antony lehibe mahatonga ny afo eto amintsika, hoy ny Minisitra. Ny ekipan-dRamatoa Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritanin’i Mahajanga, ny Governoran’i Boeny, ny Lehiben’ny Fileovana, ny Tonian’ny Fitsarana, ny Lehiben’ny Distrika Marovoay, ireo lehiben’ny mpitandro filaminana (tafika, zandary, polisy), ireo Talem-paritra rehetra ao Boeny, ny Mpianatra avy amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny fokonolona no niara-mientana tamin’ny famonoana izany rehefa nahare ny antso nataon-dRamatoa Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Tale Iraisam-paritry ny Tontolo Iainana any Boeny sy Betsiboka. Omaly 13 septambra vao voafehy ny afo. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny velaran-tany may. Nitrangana doro tanety ihany koa tao amin’ny làlam-pirenena faha-4, PK 30 ny alahady 12 septambra. “Mafy dia mafy ny rivotra ary maina ihany koa ny tanety ka sarotra ny mifehy ny afo. Rantsan-kazo no ampiasaina, ary tsy ho vita intsony. Any an-dafy dia misy ny fitaovana avo lenta, ny angidim-by mpanondraka rano sy famonoana afo,… Tena mila manao fampiasam-bola amin’izany isika. Mitombo ny afo satria matanjaka be ny rivotra mahatratra 20 hatramin’ny 30km isan’ora raha ny tatitra voaray, maina be ihany koa ny tontolo izay mampandeha ny afo. Rehefa malefaka izany vao mety tena ho afaka hamaritra sy hanombana ny velaran-tany may”, hoy ny Minisitra. “Manao antso avo ny MEDD mba tsy avelantsika ho may ny rohivoahary kely sisa ananantsika fa andeha hiara-hientana amin’ny fiarovana azy ireny. Ho an’ny Taninjanaka”, hoy ny Minisitra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT