Actualités

Minisitra Andry Ramaroson Lany andro amin’ny "Mada raid" sy "Selfie"


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Fatiantoka iray lavaka no takaitra navelan'iny efatra andro nitsaharan'ny famokarana herinaratra tao Andekaleka iny na ho an’ny Jirama indrindra fa ho an'ny toe-karena malagasy.

Dia mbola samy ny miezaka manentsina izany fatiantoka izany ireo seha-pihariana rehetra ankehitriny na lehibe, na salasalany na madinika, miankina amin’ny herinaratry ny Jirama, amin’ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Tsy resahana intsony ny delestazy nampimenomenona ny maro sy ny loza nateran’izany ara-piarahamonina dia ny tsy fandriampahalemana. Fanindroany izao no niainana izany toe-javatra izany raha ny tamin'ity taona 2022 ity fotsiny. Vao niandoha ny taona dia delestazy goavana no teto, fa hoe : nisy nisotasotasota tao Andekaleka ka nitarika firehetan'ny milina. Hatreto moa toa very an-javony tsy hita izay niafaran’iny raharaha nosokajiana ho heloka bevava iny. Dia teo koa iny fametrahana sy fampandehanana ny gropy fahaefatra nitarika fanapahana herinaratra naharitra hefarana iny, izay toa hoe : adihevitra be sy nampifandrirotra ny tao anivon’ny governemanta tao iny fanapahan-kevitra iny. Efa iaretan’ny mpanjifa fotsiny ny resaka solika, raha tsy sendra izay mitapoka sy sahirana amin’ny fahitana azy, ankoatra ny vidiny midangana. Dia inona koa ny manaraka ary ahoana ny hiatrehana ny maintany, hoy ny fanontanian'ny maro mahita fa toa fitetezam-paritra manao Madaraid mizara jiro "cobra" mandeha amin’ny masoandro sy fizarana sary "selfie" no mameno ny fotoanan'ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo, Andry Ramaroson amin’ity hoe : mandeha ny mandeha. Mba miandry ihany hoe : inona moa no politikan'ny angovo eto Madagasikara eto, fa tsy mazava sa tsy misy ? Eny, ilaina ho Jiro cobra ho fanazava fa tsy hamaha ny filana angovo hanosika ilay fanatanterahana ny ODOF na ilay Distrika iray, indostria iray izany, ny filoha rahateo tompondakan'ny fananganana indostria. Isika anefa hiantso mpampiasa vola ho avy handraharaha eto Madagasikara. Ankoatra izay, mbola kitay sy saribao no angovo ampiasain’ny 90% mahery ny tokantrano malagasy. Dia ho ringana ihany izany ny ala, raha izao no fandehany satria ilay herinaratra ho an’ny rehetra ity mbola lavitr’ezaka, eny ary raha misy aza tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny maro.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT