Actualités

Minisitra Andry Ramaroson « Afaka hanavotra an’i Madagasikara i Tsimiroro »


  • Zoma 23 Septambra 2022

Vesatra goavana ho an’ny firenena Malagasy ny fanafarana solika avy any ivelany. Voatery miankina amin’izany avokoa mantsy ny fahafahana mampandeha ny raharaham-pirenena eto an-toerana toy ny fiakaran’ny vidin-tsolika

 izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka no sady miteraka olana ho an’ny orinasa JIRAMA ihany koa. Ho antsika eto Madagasikara anefa dia mety mbola ho voavaha ihany izany olana izany. Nambaran’ny Ministry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson omaly fa ho afaka hanavotra antsika i Tsimiroro raha voatrandraka tsara. Tsy hijerena distrika intsony izany hoy izy toy ny distrikan’i Tsiroanomandidy, na Maintirano sy Morafeno fa ny faritra 23 mihitsy. Hanampy antsika betsaka amin’ny ady hatao amin’ny delestazy ihany koa ny fahafahana mitrandraka an’i Tsimiroro hoy hatrany ity ministra ity. Misy fiantraikany goavana amin’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity ihany koa mantsy ny fiakaran’ny vidin-tsolika hoy hatrany izy. Ankoatra an’i Tsimiroro moa dia voaresaka ihany koa omaly i Bemolanga izay nambaran’ny fikambanan’ny zanaky ny Faritr’i Melaky fa hahavonjy ny Faritra Melaky iray manontolo ihany koa.
Pati
Legende : Ny minisitry ny angovo Andry Ramaroson niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT