Actualités

Minisiteran’ny tontolo iainana Ahitana tantara hatrany


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Nanomboka tamin’ny fotoana nitantanan’ny filohan’ny antoko politika Maitso, Alexandre Georget, azy, izay nalaza ho nasiaka sy tsy nanaja ireo mpiara-miasa aminy dia saika ahitana

tantara hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Taorian’izay moa dia ny tsy fifankahazoana teo amin’ny minisitra nandimby ilay voalaza teo, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, sy ny lefitr’ity farany, izay mbola avy amin’ny antoko Maitso indray, Haingosoa Hortençia Antoinesia, no nalaza. Samy afaka tamin’ny toerany avy indray moa ireo taty aoriana. Io indray fa manomboka ny tantara Marie-Orléa Vina. Vao mainka tsikaritra ho niteraka fahasorenana ho an’ireo mpanara-baovao ny fanazavany izay toy ny milaza fa mbola tsy olana loatra ny zava-misy ankehitriny satria raha oharina tamin’ny 3 taona lasa izany dia efa nisy fidinany 90% be izao. Misy tokony irarahiana izay tamin’ny 3 taona lasa manoloana ny tanety miha ringana sy ny taranaka efa handova dezaka ve, hoy ny isan’ny fanontaniana? Dia mandeha toy ny efa fanaon’ity fitondrana ity mahazatra koa ny fampiasana serasera an-tsary isan-karazany mba tsy hilazana hoe werawera entina maneho fa tena miasa ary misiki-ponitra ny minisitra mba hiadiana amin’ireo tsy mataho-tody amin’ity fandoroana tanindrazana mirongatra ity. Vokatra sisa andrasana.
Legende : Rtoa Vina Marie-Orléa, minisitry ny tontolo iainana ankehitriny, namono afo tany Ankazobe.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT