Actualités

Minisiteran’ny fitsarana Nahazo fitaovana mitentina 108.000 dolara


  • Talata 15 Febroary 2022

Tontosa omaly alatsinainy 14 febroary 2022 tetsy amin’ny minisiteran’ny fitsarana etsy Faravohitra ny lanonana fanolorana fitaovana informatika sy ho an’ny birao avy amin’ny biraon’ny firenena mikambana

 miady amin’ny zava-maha domelina sy ny heloka na UNODC. Fitaovana mitentina 108.000 Dolara izay tafiditra indrindra ao anaty fandaharan’asa hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana an-dranomasina na GMCP aty amin’ny tapany andrefana amin’ny ranomasimbe indianina. Ireo dia atolotra ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany na TPI ao Toamasina sy Mahajanga ary ny fitsarana ambony na CA ao Toamasina sy Mahajanga ho fanohanana ny asan’izy ireo sy ho fanatsarana ny lafiny fandriampahalemana an-dranomasina eto Madagasikara. Solosaina miisa 40, « Onduleurs » miisa 40, « Imprimantes » miisa 17, « Cartouches d’encre » miisa 27, « Armoires de bureau » 50 isa, seza miisa 240 ho an’ireo manan-draharaha, latabatra birao 100 ary seza birao 60 moa ireo fitaovana azo ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT