Actualités

Minisiteran’ny fitsarana Miatrika atrikasa hatrany


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Tafiditra anaty Veliranon'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana,

 

hoy ny fampatsiahivana avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana omaly. Ezaka imasoan'ny mpiasa rehetra tarihin'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, izany. Anjaran'ireo tompon’andraikitra rehetra mpikirakira vola eo anivon'ny Ministeran'ny Fitsarana no nandray ireo tale jeneraly rehetra ao amin'ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Atrikasa fiofanana sy fifanakalozana no natao tao amin'ny foibe Frenjy etsy Faravohitra, noho izany, iny omaly iny. Nialoha izao moa dia nisy koa ny talata teo ny atrikasa ho fampiofanana mikasika ny fanatsarana ny fomba fanadihadiana izay notarihin’ireo tomponandraikitry ny DPI na "Direction de la Promotion de l'intégrité". Tanjona amin’izany ny hamolavolàna sy hamoahana torolalana ho amin'ny fanaovana fanadihadiana, raha ny fanazavana hatrany. Ho hita eo tokoa izany izay ho fihatsarany fa dia miatrika atrikasa hatrany aloha ireto mpitsara antsika ireto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT