Actualités

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Misy polisy mitaraina fa hoe tsy nandray karama


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Vaky taraina ireo solontenan’ny mpianatra ho polisy izay tamin’andiany Iratra nivoka ny tamin’ny 24 desambra 2021 fa tsy mbola nandray karama ara-dalana sy ireo tombotsoa.

 Miisa 1010 ireo polisy nivoka tamin’ny andiany Iratra io ary naparitaka eto an-drenivohitra izay efa mandray ny asa maha polisy azy. Nanambarana hatrany ny fitaraina azo io fa nanomboka teny amin’ny sekoly izy ireo no efa nianto-tena nandritry ny fizarana asa dimy volana : Jona ka hatramin’ny Novambra. Hatramin’izao dia mbola izay hatrany no zava-misy iainan’ireo polisy Malagasy nivoka ny sekoly izay maro amin’izy ireo no mandoa hofantrano sy ny jirama ary ny sakafo ny vady aman-janany. Betsaka tamin’ireo andiana mpianatra polisy vao nivoka no traboina noho ny aretina coronavirus sy ny rivo-doza izay nifanesy, hany ka sahirana tanteraka. Raha nambaran’ireo polisy sasany izay tafaresaka taminay izay isan’ireo andiany Iratra ireo dia efa nisy ny fampahafantarana mialoha azy ireo saingy vitsy no mahalala an’izany ka izao latsaka anatin’ny fahasahirana ary dobon’ny trosa izao. Anisan’ny tombotsoa nomena ireo polisy ny fanomezan-dalana hindram-bola any amin’ny banky , saingy efa trosa tsy maintsy tapaka amin’ny karama moa iny avy eo. Nilaza hatrany izy ireo fa tsy mbola voafaritra ny daty avy amin’ny minisiteran’ny filaminan-bahoaka hamohana ny fanapa-kevitra ny minisitera amin’ny mety ho fandraisan’ireo polisy miisa 1010 ny karamany. Nosokajian’ireo mpianatra polisy vao nivoka hatrany fa lasa tsizarizary ny fandraisana an-tanana azy ireo. Porofo izany hoy ireo ny famoaham-bola amin’ny sakafo izy ireo eny amin’ny ENIAP izay tsy mbola nisitrahan’izy ireo taorian’ny fidirana teny amin’ny sekoly. Takian’ireo polisy ny fanaovana mangarahara ny fifaninanana hidirana ho polisy sy ny fepetra tsy maintsy arahina aorian’ ny famohana azy ireo satria miteraka fahadisoam-panantenana izany hoan’ireo mpianatra vaovao vao hiditra eny amin’ny ENIAP.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT