Actualités

Minisiteran’ny angovo “Midina 60% ny famokarantsika herinaratra”


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Midina 60% ny famokarana herinaratra amin'izao fotoana izao, hoy ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Antony maro no nambara fa antony:

 hain-tany, mivaivay ny hafanana, mihantona ny orana, ritra ny rano, mihena ny angovo vokarina,… Ireo no vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro ankehitriny, hoy io minisitera io, izay naneho fa mijaly isika satria sady zara raha misy rano ho sotroina no miharitra fahatapahan-jiro matetika ihany koa. Tsara ho fantatsika fa ny doro tanety sy fandripahana ala dia olana goavana miteraka tsy fahampin'ny rotsak'orana izay mahatonga ny rano hiakatra ka afaka hamokarana ny angovo ho tonga any an-tokantranontsika tsirairay avy any. Rehefa tsy misy noho izany ny rano dia mihena ny famokarana herinaratra. Andao hiara-hientana hamboly hazo satria "Tanora mamboly hazo,manan-kialofana rehefa lehibe", fa indrindra "sarobidy ny angovo", hoy hatrany ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Tato ho ato, mitombo ny fahatapatapahan’ny herinaratra, tsy maharaka efa hatry ny ela ny famatsiana rano eny fa zary rano maloto aza no tonga any an-tokantrano raha ny hita tamin’ny faritra sasany teto Antananarivo sy ny manodidina. Ao anatin’ny fotoana main’andro isika mihena 60% ny famokarana, ary rehefa ho avy ihany koa ny fotoanan’ny orana sy andro ratsy, dia mbola ireny no ala-olana amin’ny fahatapahana samihafa, izany hoe : sarotra ny tena ahitana fahatomombanana 100% mandavan-taona. Ireny mety tsy ho azo hialàna firy, fa mbola lesoka hafa ny resaka fitantanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT