Actualités

Minisiteran’i Sophie Ratsiraka Tsy nahaloa volan’ny Jovena 122 tapitrisa Ar mahery


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Mitohy hatrany ny fahavakisana afera hafahafa mahakasika ny mpitondra Fanjakana na ny Fitondram-panjakana. Niparitaka indray nanomboka omaly ny taratasy fitakian-trosan’ny orinasa mpamatsy solika Jovena miantefa amin’ny

Minisiteran’ny asa tànana sy ny taozavatra. Taratasy mitondra ny laharana 002/09/C/ADV-JOV/2022 mitaky ny fandoavana trosan-tsolika nalaina tamin’ny alalan’ny karatra izany hoe: “ticket carburant” no mety hahalan’ny besinimaro azy. Mivoitra amin’io taratasy “Mise en demeure” niantefa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny minisitera Atoa Rajotoarimino Raheriarijaona Théodore io, ny fanamarihana fa na maro aza ny fitakiana sy fampahatsiavina ara-trosa dia mbola tsy afa-bela amin’izany ny andaniny, ary mahatratra 122 710 128Ar ny trosa tamin’io andro io. Mitsinjara toy izao io: ny 31 janoary 2022 nisy 24 911 204Ar; 28 febroary 25 376 578Ar; 31 martsa 29 773 197Ar; 30 aprily 15 363 810Ar; 31 may 17 285 339Ar; 30 jona sy ny 31 jolay 5 000 000Ar avy. Nanome fe-potoana 8 andro handoavana izany nanomboka tamin’ny faharaisana ny taratasy ny Jovena, ary nanery sy nandrahona ny hiditra amin’ny ambony kokoa araka ny zo ananany eo anatrehan’ny tsy fahatanterahan’izany. Ny manitikitika dia ny hoe: arakaraka ny fandaniana ve ny vokatra hoentin’ilay Minisitera? Fa ny tena hafahafa dia hoe: fa nankaiza ny vola no tsy naloa ny volan’olona sa miditra amin’ny politikan’ny fanagiazana na “réquisition” an’ny solika hatramin’ny Minisiteran-dRtoa Sophie Ratsiraka? Nahodina tamin’ny zavatra hafa ny vola?
TANTELY AFA-DRAKOTRA NY FIRENENA
Tena mandeha tantely afa-drakotra ka samy manao izay reviny sy izay tiany satria mety efa ho lany paiso an-kady, akaiky ny fifaranan’ny fitondrana. Toa samy mampiasa ny fahefahana amin'ny tombontsoa manokana. Trosa, halatra, afera, fanaparam-pahefana, kolikoly no re etsy sy eroa. Ny Kaompania Malagasy Tsaradia nitakian’ny Air Austral 862 264,98 Euros na 3,5 miliara Ar eo iray volana lasa izay noho ny hofan’ny fiaramanidina ATR roa tsy voaloa ary tsy fantatra izay tohiny, ny 5 tapitrisa dolara nambara hanarenana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar miisa roa toa nanjavona raha nambara fa hiasa afaka efatra vola ireo fitaovana nombara fa afaka hisidina, ny mpitsirika ny volam-panjakana nitatitra fa 51 miliara Ar ny volam-panjakana voahodinkodina tao anatin’ny 8 volana, ny Fitsarana momba ny kaonty nitatitra ny tsy fangaraharana maro tamin’ny fitantanana ny 1818 miliara Ar tamin’ny covid-19, ny volamena 36 kg niova ho korotam-by tany amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany nanjavona, ny depiote IRD lasa mpamoaka fahazoan-dàlana hitatitra hazo sarobidy ho an’ny fiarany,… Ho vitavita ho azy daholo? Mbola hoboriboriana amin’ny tenin-dRtoa Christine Razanamahasoa hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT