Mbola olana sedrain’ireo mpampiasa eto amintsika mandraka ankehitriny ny fandraisana ireo mpiasa tsy mbola matihanina ka mahatonga azy ireny handany fotoana maharitra hampianatra asa indray.
Mba ho famahana io olana io dia nikaondoha niaraka tamin’ireo orinasa mpisehatra eo anivon’ny fizahantany tetsy Andraharo omaly ny Minisiteran’ny fizahantany, ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary ny UNESCO. Anton’ny fihaonana ny mba hamantarana ny filan’ireo mpampiasa, ahafahana manofana ny mpiasa avy hatrany, ny mpianatra ihany koa, tsy miandry fianaran’asa intsony fa ho matihanina avy hatrany. Orinasa manodidina ny 15 isa no nandray anjara tamin’izany, tafiditra ao anatin’ilay politika nasionaly momba ny fampananan’asa, nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2013. Asa miisa dimy no voakasika omaly, dia ny « réceptionniste », ny « assistant cuisinier », ny « secretaire », ny « serveur » ary ny « femme de chambre ». Tanjona ny hanatsarana hatrany ny tolotra, ahafahana manome asa ny tanora ao anatin’ilay fepetra, amin’ny fandraisana mpiasa tsy andaniana fotoana ampianarana intsony. Efa nisy moa ny atrikasa voalohany notanterahina mifandraika amin’izany ny aprily lasa teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.