Minibus sy Kamiao nifandona

> 12 namoy ny ainy, nitsoaka ny mpamily


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013


Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny 63km miala an’i Manakara, amin’ny Kaominina Analavory ny alin’ny sabotsy 05 oktobra teo. Fiara Minibus nitondra mpandeha maro no nifandona tamina kamiao nitondra entana. Mafy ny fifandonana, ka niforitra roa mihitsy ilay Minibus. Maty teo no ho eo ny 4 tamin’ireo mpandeha nentiny, namoy ny ainy teny an-dalana sy tonga tany amin’ny hopitaly kosa ny 8. Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy, isa vonjimaika ihany io satria mbola misy ny atahorana noho ny hamafin’ny ratra nanjo azy. Voalaza fa dia nitsoaka ny mpamilin’ilay kamiao taorian’ny loza nitranga. Misokatra ny fanadihadiana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT