Actualités

Minainaina ny depiote Ratsivahiny “Esory ny DG an’ny JIRAMA rehefa tsy mahavita”


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Azo lazaina ho isan’ny distrika mijaly indrindra amin’ny resaka fahatapahan’ny herinaratra lavareny iny distrikan’Atsimondrano iny.

Isan’ny minainaina hatrany vokatr’izany ny depiote voafidy tao an-toerana tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRD, Andry Ratsivahiny. Omaly dia mbola nanamafy indray ny tenany tao anaty tambazotran-tserasera Facebook-ny fa efa tafahoatra ny ataon’ny orinasa Jiro sy rano malagasy. “O ry Jirama aa! Ny orana avy tsara, ampy rano Andekaleka, ny “groupe” toa manana maro be ihany ianareo? Fa inona no olana e? Ny DG tsy hita. Ny taratasy tsy misy mpanao sonia. Ny tanjona efa fantatra. Ekena ny delestazy fa tsy ampy ny eo an-tanana fa ity efa tena “trop” loatra satria ny tany maina be aza tsy ohatran’izao ny fahatapahan-jiro. Esory any ny DG rehefa tsy hita sy tsy mahavita azy miaraka amin’ny ekipany e! Tsy miteny ihany izahay fa tena trop loatra ity aaa! Ny “sabotage” manginy fotsiny.”, hoy hatrany ity depiote ity omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT