Actualités

Milaza ho mpiasa ambony ao Ambatovy Nahatratra 09 ireo olona nitory azy omaly


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Tena efa manao ny fomba rehetra mba hahazoam-bola mihitsy ireo mpisoloky amin’izao. Lehilahy 28 taona monina ao Toamasina no voasambotry ny kaomisaria foibe ao an-toerana omaly.

Milaza ho mpiasa ambony ao amin’ny orinasa Ambatovy izy ary sahy mitonona fa mahavita mahatafiditra olona hiasa ao amin’izany orinasa izany nefa misy takalony sandaim-bola maromaro izany. Etsy ankilany, milaza ihany koa ity farany fa zanak’olona ambony ao Toamasina kanefa dia diso avokoa izany rehetra izany. Roboka avokoa noho izany izay rehetra mifanehitra aminy noho ny resaka tsara lahatra lazainy. Omaly 24 aogositra fotsiny noho izany dia nahatratra 09 ny isan’ireo olona nametraka fitoriana momba io tovolahy mpisoloky io. Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izy noho izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT